Rambeloson & Rambeloson
Mpisolovava ao amin'ny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara
Miompana manokana amin'ny zon’ny fandraharahana sy ny fifanarahana famahana disadisa
Ny Birao
Ny
Kabinetra Rambeloson & Rambeloson
dia birao fianakaviana mpisolovava hita ao Antananarivo, mikambana eo amin’ny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara.
Leitmotiv
Naorin’i
Noro Rambeloson
tamin’ny taona
1991.
Ny Kabinetra dia mireharehana amin’ny fitahirizana ny soatoavina arak’asa izay nolovaina sy notohizana nandritra ny taranaka telo, manatanteraka ny asa maha-mpisolovava
ho an’ny tombostoan’ny Mpanjifanay, ho an’ny fanandratrana ny asanay, ho an’ny fanajana ny Fitsarana sy ny rariny, ary ho an’ny fampandrosoanan’ity firenena ity.
Araky ny takin’ny filosofian’ny birao, izahay ao amin’ny Kabinetra dia mino avy hatrany fa ny olana rehetra sy ny sakana rehetra, dia ahitana vaholana avokoa.
Noho izany dia manokan-tena amin’ny fikarohana ary ny fampiharana an’ireo vaholana tadivainy ny mpanjifanay izahay, amin’ny alalan’ny fahaizanay, ny traikefanay, ary ny loharanay.
Politikan’ny fandraisana rakitra sy ny sarany
Satria tsy voatery mitovy ny tranga sy ny raharaha tsirairay, dia vonona izahay hitondra ny fahaiza-manaonay momba ny lalana sy ny Fitsarana, mba hanome fanaraha-maso manokana ho an’ny tranga tsirairay, ary ho an’ny mpanjifa tsirairay.
Safidinay amim-pitandremana ny raharahanay, ary manatona ny tsirairay am-pahaizana, amin’ny fomba matihanina, amin’ny fandinihana tsara, ary amin’ny fijery lavitra izahay. Ny saran’ny asanay sy ny lana dia ifanarahanay ampangarahana amin’ny Mpanjifa araky ny votoatin’ny rakitra.
Sarin'ny Mpisolovava
" Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena."
Mika 6:8
NoroR.RAMBELOSON,
Mpisolovava
LivaD.RAMBELOSON,
Mpisolovava
Noro AinaR.RAMBELOSON, Mpisolovava
R.ZotoA.RAMBELOSON, Mpisolovava Mpianadraharaha
Fahaizana
Andraikitry ny Mpisolovava
Manolotra amin’ny fahatokiana ny fahaizanay fanolontsaina, fanampiana, ary fisolon-tena ho an’ny Mpanjifanay izahay, miara-dia amin’izy ireo amin’ny raharaha ara-dalana rehetra, sy raharaha mety manodidina azy, ary mandritra ny ady rehetra eo anatrehan’ny fitsarana amin’ny lafiny rehetra.
Fahaizana ankapobeany
Ny Kabinetra dia mahafehy ny sehatry ny lalana amin’ny ankapobeany, ary mandray an-tanana ny raharaha isan-karazany sy isan’ambaratonga, manomboka amin’ny olana sy tranga andavanandro ka hatramin’ny antotan-taratasy sarotra sy saro-pady, ary koa ny raharaha miavaka tsy fahita matetika.
Fahaizana manokana
Mamirapiratra am-pireharehana izahay amin’ny sehatry ny zon’ny fandraharaharana, indrindra amin’ny raharaha sosialy sy arak’asa, ara-barotra, ara-karena an-kibon’ny tany, ara-tsolika, ara-panditserana, ary ara-ketra, momban’ny fampiasam-bola iraisam-pirenena sy nasionaly hamokarana, momban’ny orinasa, momban’ny fanaraham-pepe-panjakana, ny paik’ady fanjakana sy ny fomba fiasa ara-pitantanana, ary ny ady eo anatrehan’ny Fitantanan-draharaham-panjakana, momban’ny fananana vokatry ny saina, momban’ny fananana miraikitra, ary momban’ny family office.
Miompana manokana izahay amin’ny famahana olana ampihavanana ara-dalana, vokatry ny filosifia ny biraonay, noho izany dia mihezaka foana izahay mitady ny fifanarahana ampiavanana tsara indrindra ho an-drehetra.
" Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. "
Amos 5:24
Fampahafantarana takian’ny lalana sy Fepetra fampiasana
Manaiky an’itony fampahafantarana sy fepetra itony ny mpampisa an’ity tranonkala ity, ary manaiky ihany koa izy tsy hampiasa an’itytranonkala sy ny votoatiny ho hanao zavatra voararan’ny lalana velona sy ny voalaza ao amin’itony fampahafantarana sy fepetra itony.
Niovana farany tamin’ny:Jiona 2026
Mpampiantrano ny tranonkala: Madagascar Internet, Arabe Massignon, Lot IVE 110 E Ankorondrano Est, Antananarivo – 101
Mpandrafitry ny tranonkala: R. Zoto A. RAMBELOSON, Kabinetra Rambeloson & Rambeloson, 118 Lotissement Bonnet Ivandry, Antananarivo - 101
Kaody voasotra manontolo amin'ny Bloc-Note.
Mpanamboatry ny tranonkala: Kabinetra Rambeloson & Rambeloson, 118 Lotissement Bonnet Ivandry, Antananarivo – 101
Ny tompon’andraikitra amin’ny famoahana dia i R. Zoto A. RAMBELOSON
Fananana vokatry ny saina
Ny tranonkala manontolo sy ny votoatiny dia fananana manokany Kabinetra Rambeloson & Rambeloson. Indrindra ny sary famantarana logo, ny anarana orinasa, ny sary fampisehona, ny sary endrika, ary ny lahatsoratra dia voaaro ny lalana velona mifehy ny fananana vokatry ny saina ampiarahana ao Madagasikara.
Tsy afaka adika na ampiasaina ny tranonkala sy ny voatiny, na amin’ny endriny feno na mizarazara ampahany, raha tsy nahazo alalana mazava avy amin’ny tompon-jo.
Tsy fandraisana andraikitra ara-dalana
Tsy afaka ampidirina aman-draharaham-pitsarana ho tazomina ho tompon’andraikitra noho ny fahavoazana mety mitranga, na mivantana na tsy mivantana, vokatry ny fidirana sy ny fampiasana an’ity tranonkala ity ary/na ny zava-boalazany, anisan’izany ny fampotehana na ny viriosy mety mipetraka ao amin’ny fitaovana informatikan’ny mpampiasa, ary/na ny fisiana viriosy ao amin’ny tranonkala.
Votoaty
Ny zava-boalazan-drehetra sy ny famohanana hita ao amin’ity tranonkala ity dia ho fampahafantarana sy fanazavana ihany, noho izany dia tsy miantoka ny fahafenoany sy ny fahamarinany ny mpanamboatra an’ilay tranonkala. Tsy afaka ampidirina aman-draharaham-pitsarana ho tazomina ho tompon’andraikitra noho ny fahavoazana na inona na inona karazany, na mivantana na tsy mivantana, vokatry ny fandikana na ny fampiasana ny zava-boalaza ary/na ny antotan-kevitra hita ao amin’ilay tranonkala, na vokatry ny fahadisoana, na fanadinoana, na fahitsiaja tsy ampy amin’ny votoatiny.
Fahafahana miditra
Na dia mihezaka mafy aza ny mpanambotra ny tranonkala, dia mety tsy afaka tazomina lalandava ny fahafahana miditra amin’ny tranonkala. Midika fa tsy afaka mampiditra raharaha ara-pitsarana noho izany tsy fahafahana miditra izany ny mpampiasan’ity tranonkala ity, ary tsy hisy fandraisana andraikitra ara-dalana avy amin’ny tompon’andraikitra famohanana sy ny mpanamboatra ny tranonkala raha ohatra ka misy izany tsy fahafahana miditra izany.
Fepetra Ankapobean’ny Fiombonana
Ny Kabinetra sy ny mpisolovavany dia voasotra ara-dalana sy mikambana ao amin’ny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara.
Ny Kabinetra dia manaraka sy manaja ny fitsipika voalazan’ny Lalana 2001-006 natao tamin’ny faha 9 Aprily 2003 mandrindra ny asan’ny mpisolovava, ny Fitsipika anatiny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara, ary ny fitsipika fototra sy ankapobeany momban’ny fitondratena ara-matihanina ny asan’ny mpisolovava.
Indrindra, ny fifandraisana eo amin’ny mpisolovava sy ny mpanjifany dia voarakotra amin’ny tsiambaratelo matihanina, ary arovan’ny lalana arak’izany.
Ny fidiran’an-tsehatra rehetra hataony ny Kabinetra dia miankina amin’ny fifanekena, fanirahana asa, ary fifanarahana, milaza ny hirany ary ny adidy ifamatorana raisiny ny roa tonta.
Fanovana momban’ilay tranonkala
Ny mpampiasa an’ity tranonkala ity dia manaiky fa mahafantatry ny votoaty an’itony fampahafantarana sy fepetra itony, ary manaiky hanaja ny fepetrany. Ny mpampisa an’ity tranonkala ity dia manaiky fa mahafatatra ny zo’ny mpanamboatra ny tranonkala hanova azy.
Ny mpanamboatra ny tranonkala dia manokana ny zony hanova ny tranonkala, ny votoatinyn ary itony fampahafatarana sy fepetra itony, amin’ny fotoana mahamety azy ary tsy voatery milaza mialoha.